

Fjkm Antsampandrano
Fiderana
​Tantaran'ny Fjkm Antsampandrano Fiderana
​
TANTARAN'NY FITANDREMANA
Ny fanorenana voalohany dia natao ny taona 1870. Tranozozoro tamin'izay nefa dia naharitra 10 taona teo ho eo. Tamin'ny taona 1880 dia tapa-kevitra Rainiketaka Ramanitra - Mpitandrina, Mpitarika Fiangonana no sady mpanompon'ny Fiangonana - fa hanao trano fiangonana dia ity tsara tarehy sy hary fomba ity. Nandritra ny 3 taona ngaragidina (1880-1883) no nananganana ity Fiangonana ity. Vita tanteraka ny 21 desambra (14 alahasaty) 1883. Noho ny fahasoavan'Andriamanitra.
Alao an-tsaina ary ny hasarotan'ny nanaovany azy. Tsy ampy ny fiasana, ny sarety sy nananany. Ny nenti-nanao azy tsy vita fomba hoatr'izao ankehitriny izao. Izao kosa anefa nananany be dia be : herim-po, firaisan-kina, fahatsoram-po, fikirizana, ary tsy fifanjanana, fifankatiavana. Ka na inona na inona fahasarotana sy fahalehibeazan'ny atao dia tsy mainty vita rehefa ireo no toetra ananana. Ny mpitarika ny fiandohan'ity Fiangonana ity dia Ingahy : RAINIKETAKA RAMANITRA.
NY MPITA-MARIKY NY FANORENANA
Tsy mba nampianarina ny malagasy ny momba ny arsitektiora, fa vazaha ihany no nanao ny plana sy ny mariky ny trano natao, na sekoly, na trano, indrindra fa ny fiagonana. Tsy maintsy eo ambany toro-mariky ny misionera anglisy no fanaovana azy ireo.
Koa raha ny marika sy ny planan'ny vazaha anglisy no adika tsotra dia azo lazaina fa style Ranavalona II itony trano fiangonana itony.
Voalaza fa ao amin'ny boky tantaran'ny fiangonana nosoratan'ingahy Razakatsara S. dia Mr Ellis misionera no nanao ny mari-trano.
Ny hazo mandry tamin'ny trano fiangonana dia natao ho anjaran'ny misionera ary mahagaga ny hamafiny sy ny tarehiny. Nisy lehilahy irao natao fanambadiana ka teo am-pisakafoanana dia nanontanian'ny sakaizany izay nampihetsika ny fony, ka hoy ny famaliny : « niandrandra nijery ny sambomandrin'ny fiangonana : tsara sady mateza, misy haratra fa tsy misy vovonana ».
Tamin'ny taona 1868 dia nivoaka ny teny fa azo atao ny manorina trano tany, na an-tampo-tanà na, na ambanivohitra. Sahirana ery hono ny vahoaka notarihin'ingahy Rainiketaka Ramanitra niangavy an'i Mr. Ellis mba hanome marika ny hananganana ny trano, ary tamin'izany hono no nipoiran'ny teny hoe : « tranoben'Antananarivo, ka izay vita aloha manenina ».
Araka ny tenin'i M. Sibree dia ny fanorenana no nisehoam-pandrosoana indrindra teto amin'ny 25 taona faran'ny siekla faha-19.
Hoy izy :Voalazan'ny tantara fa Aogostosy emperora dia namantana an'i Roma vita biriky, ary nandao azy vita marbra, ka raha ampitahaina amin'ny lehibe ny zavatra kely, dia mba azo lazaina fa M. Pool dia namantana an'Antananarivo tamin'ny trano ritsoka sy trano hazo mora simba, ary nandao azy efa nisy trano lehibe vita vato sy biriky mateza. Toy izany koa : « Rainiketaka Ramanitra dia namantana tranozozoro tamin'izay teto Antsampandrano, fa nandao azy kosa, dia endrey fa vita trano mafy mijoalajoala ». Nisongadina teo amin'ny fiainan'ny Tsimiamboholahy teto Antsampandrano, ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina, fa nataony filamatra ny hoe : « Aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany » (Fil. 3,15). Tsy mba vola na harena no fitaovana nenti-nanorenana, fa herim-po sy fitiavana
IREO VY NAHITANA SY ANGADY NANANANA
Indro atolotra avy hatrany ireo vy nahitana sy angady nananana tamin'ny fanorenana 1880, ka alahatra araka ny fonenana misy azy avy :
TANANA FONENANAANARANA
Manahy : Itl Rainiketaka Ramanitra
Antanamanjaka : Itl Ramarosata - Raberiaka - Rainizafitiaray - Rainizaka - Ratolojanahary - Rainisoanindriana - Rainiketaka Ratrimo - Rainijesy - Randriamirado - Rainizafinimalo - Rainizafinoro
Ambohimiadana : Itl Rainianja - Rainisoanindriana - Rainifararano
Antsampandrano : Itl Rainizanabony - Rainitsaraibe - Razafindralambo - Rainimamonjy Ramboazafy - Rainiketakatsarasaotra - Rainifiringa - Rainivoalavo
Itv. Ratianomanana - Nenihavana
Ambohimena : Itl Rainizafiramboa - Rainimbelo - Rainikotovao - Rafaralahitsaramiera

I'm a description. Click to edit me

I'm a description. Click to edit me

I'm a description. Click to edit me

I'm a description. Click to edit me