top of page

Vatsim-panahy

« Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho ». Joela 3:1

 

Ny teny hoe : “Rehefa afaka izany” dia milaza fotoana ela any aorian’ny loza nafitsoky ny valala sy ny fibebahan’ny Israely izay mamerina indray ny fahavokaran’ny tany sy ny fiadanan’ny olona. Teny malalaka izany, fa ny fotoana marina hitrangan’ny zava-dehibe ambaran’ny mpaminany dia tsy fantany. Zavatra lehibe sy mahagaga no asain’Andriamanitra ambaran’ny mpaminany: “handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho.” Ny Fanahy lazaina eto dia ny Fanahin’i Jehovah na ny fofonaina avy amin’Andriamanitra izay mamorona sy mamelona ny zava-mananaina rehetra, miditra ao amin’ny olona ka manome azy hery na fahaizana mahagaga. Voalazan’i Joela fa ny “nofo rehetra” dia handatsahan’i Jehovah ny Fanahiny ary ny Israelita rehetra tsy ankanavaka. Fanatanterahana ny faniriana lehibe nolazain’i Mosesy izany (Nom. 11:25), ary fanomezam-pahasoavana sarobidy ho an’ny Fiangonana. (I Kor. 12)

 

Ny filatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra dia mahatonga fiovam-po sy fanavaozan-tsaina. Ny voalazan’ny mpaminany eto dia ny filazana fa tsinitsinona eo anatrehan’Andriamanitra ny fanavakavahana ateraky ny firazanana, ny volon-koditra, ny taona, ny harena, ny fahalalana, ny fahefana (Joe. 3:2)

 

“Ary hanisy fahagagana…” Ny and. 3 sy 4 dia mamerina ihany ny teny efa voalazan’ny mpaminany hafa momba ny Andron’i Jehovah. Samy nanambara izany avokoa mantsy na i Amosa, na i Isaia, na i Malakia. Fa izay mampiavaka ny fanambaran’i Joela dia ny nilazany tamin’ny antsipirihany kokoa ny zavatra hiseho, toy ny hoe: “ra sy afo ary setroka mitankosina…”

 

Ny setroka voalaza eto dia setroka matevina misavoana avy amin’ny tanàna may vokatry ny ady. Ny rà dia avy amin’ny olona maratra sy maty mandritra ny ady ary mariky ny fitsaran’Andriamanitra ny firenena; ny afo dia avy amin’ny tanàna sy ny tanety may (Isa. 10:16). Ny loza izay hamely ny fahavalon’i Jehovah kanefa hamonjy ny vahoakan’Andriamanitra dia toa fameranana ny zava-nitranga tany Egypta tamin’ny nanafahan’Andriamanitra ny Zanak’Israely voalaza ao amin’ny Eksodosy. Ny “andron’i Jehovah” dia voalaza matetika ho andro lehibe (tsy misy toa azy) sy mahatsiravina (Hab. 3:3-12). Izao tenin’i Joela sy ny mpaminany hafa momba ny “Andron’i Jehovah” izao, dia averina sy itarina aza ao amin’ny Apo. 6: 12-15; ny masoandro tonga mainty ngaly tahaka ny lamba fisaonana vita amin’ny volonosy; ny volana tonga tahaka ny rà avokoa na dia fenomanana aza; ny horohoron-tany mafy, izay voalaza eto, fa hita amin’ny toko 4:16 dia manambara fikorontanan’ny zava-boaary eto an-tany sy ny faharavan’ny fanjakana sy ny fahefana eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra (Hagay 2: 6-7). Ny fahatongavan’ny “Andron’i Jehovah” dia mahatsiravina amin’ny tsy mpino, fa fifaliana kosa amin’ny mpanaraka an’i Kristy (Lio. 21:18)

 

Eo amin’ny and.5 dia manome toky ny mpanompon’Andriamanitra ny mpaminany fa “na zovy na zovy no hiantso ny Anaran’i Jehovah” dia ho afaka mandositra. Ny fiteny hoe “miantso ny Anaran’i Jehovah” dia milaza ireo izay manaiky tanteraka ny fahefan’Andriamanitra ka manolo-tena ho vahoakany ary mino sy mahatoky Azy.

 

Koa mahereza àry ry Havana, fa amin’izao fotoam-pankalazana ny Pentekosta izao no entina mampahatsiahy antsika fa ny Fanahy Masina nalatsaka ho antsika no manome fanantenana ho antsika fa “ny Andron’i Jehovah” dia fifaliana lehibe ho antsika satria manafaka antsika amin’izay mamatotra rehetra, mandra-piTAFA e!

 

Fjkm Antsampandrano Fiderana

Ity takelaka ity koa dia natao ifandraisany @ zanany rehetra miely eran'i Madagasikara sy any an-dafin'ny riaka sy ho an'ny olona rehetra te-hifandray amin'ny Fitandremana FJKM Antsampandrano Fiderana. Fanirianay ihany koa ny hifandray aminao mba handraisanay ny hevitra avy any aminao mpitsidika ny tranokala : fanamarihana, soso-kevitra, vaovao na koa misy zavatra hafa mahaliana anao.
Ity ny adiresy i-mailakin'ny Fitandremana

Telephone : +261341080806

Email : fjkm.antsampandrano@gmail.com

Araho izahay

 

Misaotra anao manaparitaka amin'ny "Reseaux sociaux" ny vaovaontsika.

Andriamanitra dia Fitiavana

 

 

​​​

© 2014 by Fjkm Antsampandrano Fiderana. Proudly created with Wix.com

  • Facebook Clean Grey
  • Twitter Clean Grey
bottom of page